<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>I.D. Sankey</author>
<hymn_number>90</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Tsy haiko ny milaza re,
 'Lay fahorianao
 Irery tao Getsemane
 Ry Tompo masina ô !
 Tarihonao ny saiko e
 Ho ao Getsemane.
 Hahita ny fitiavanao
 Izao tontolo 'zao.
 Fitiavana ahy re,
 Ry Tompo masina ô !
 No niaretanao
 Izao mangidy 'zao !

[V2]
 Nangorohoro mafy re,
 Ny fonao, Jeso tia !
 Ny tsembokao'zay nitete,
 Nanjary toy ny ra !
 Endrey, ny fahorianao
 Nangotraka tokoa !
 Tsy maintsy nosotroinao
 Ilay kapoaka tao !
 Fitiavana ahy ..sns.

[V3]
 Ho ahy re, ho ahy re,
 No niaretanao
 Irery tao Getsemane
 Jeso malala ô !
 Sintoninao ny foko ê
 Ho ao Getsemane.
 Hahita izay niaretanao.
 Ho tena tia Anao !
 Fitiavana ahy ..sns.</lyrics>
<title>Tsy haiko ny milaza re FFPM90</title>
</song>